Ezekiel 29:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, homeko an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona, ny tany Ejipta, dia halainy ny harenany, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman’ny miaramilany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro omeko an’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, ny tany Ejipta, ka halainy ny hareny ao; hobaboiny izay azo baboina ao; horobainy izay babo ao, ary hoentiny izay remby azo aminy, dia ho karama izany ho an’ny tafiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna i Ejipta. Horobainy sy hobaboiny avokoa izay ao; ka ny hareny rehetra dia hoentiny ary hataony karaman’ny miaramilany.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, homeko an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman'ny miaramilany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, homeko an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona, ny tany Ejipta, dia halainy ny harenany, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman’ny miaramilany.
malagasy