Ezekiel 29:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho valin’ny fanompoana nataony tany Tiro no nanomezako azy ny tany Ejipta, satria nataony ho Ahy izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho valin’ny asa nataony namelezany an’i Tira, omeko azy ny tany Ejipta; satria niasa ho Ahy izy ireo - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Homeko azy ny tany Ejipta ho valin’ny asa nataony tao Tiro, satria ho Ahy no niasan’ny tafiny; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.›
Malagasy Bible 1865
Ho valin'ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho valin’ny fanompoana nataony tany Tiro no nanomezako azy ny tany Ejipta, satria nataony ho Ahy izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Ho valin'ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.Amin'izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an'ny taranak'Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.