Ezekiel 29:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitenena ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’i Ejipta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ny Neiliny, dia ilay niteny hoe: Ahy ny Neiliko, Izaho no namorona azy ho an’ny tenako!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitenena ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy ao aminao Aho, ry Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ianao ilay mamba makadiry, mandry eo afovoan’ireo oninao, sy nanao hoe: «Ahy ny oniko, fa izaho no nanao azy ho an’ny tenako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Hirotsaka hamely anao Aho, ry Farao mpanjakan’i Ejipta, fa toy ny fanano goavana mamitsaka eo afovoan’ireo sakeli-dranon’i Neily ianao. Nolazainao fa anao io ony io satria ianao no namorona azy.
Malagasy Bible 1865
Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan'i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an'ny tenako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitenena ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’i Ejipta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ny Neiliny, dia ilay niteny hoe: Ahy ny Neiliko, Izaho no namorona azy ho an’ny tenako!
malagasy
Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan'i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an'ny tenako.[Na: mamba]