Ezekiel 29:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hariako any an-tany efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ny Neilinao. Hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina, fa homeko hohanin’ny bibidia sy ny voromanidina ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatsipiko any an’efitra ianao, mbamin’ny hazandrano rehetra ao amin’ny oninao; dia hiankarapoka eny an-tampon-tanety, ary tsy hisy hanarina na hanangona, fa efa nomeko hohanin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatsipiko any an-taniefitra ianao sy ireo trondro rehetra ireo. Ho faty mitsitra amin’ny tany ianao, ka tsy hisy hanangona ny taolambalonao na handevina azy. Homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibidia ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hariako any an-tany efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ny Neilinao. Hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina, fa homeko hohanin’ny bibidia sy ny voromanidina ianao.
malagasy