Ezekiel 29:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa mandray anao amin’ny tanany izy dia folaka ianao ka voatsindronao ny helik’izy rehetra; ary rehefa mitehina aminao izy dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny andilan’izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raisiny amin’ny tanana ianao, dia tapaka, sady mandrotidrotika ny sorony rehetra; mitehina aminao indray izy, dia folaka ianao, ataonao tafatehina amin’ny valahany avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitehina taminao izy, kanjo vaky tao an-tanany ianao, ka nandratra azy tamin’ny sorony sy nampitolefika ny tehezany.
Malagasy Bible 1865
(Nony mandray anao amin'ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan'izy rehetra.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa mandray anao amin’ny tanany izy dia folaka ianao ka voatsindronao ny helik’izy rehetra; ary rehefa mitehina aminao izy dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny andilan’izy rehetra.
malagasy
(Nony mandray anao amin'ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan'izy rehetra.)