Ezekiel 3:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ihany Izy tamiko: Ry zanak’olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia raiso ao am-ponao ka henoy amin’ny sofinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy koa Izy tamiko: «Ry zanak’olona, alatsaho am-po avokoa ny teny holazaiko aminao, ary henoy amin’ny sofinao, izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia notohizany hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, raiso ao am-ponao ary henoy tsara ny teny rehetra izay ambarako anao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao, ka henoy amin'ny sofinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ihany Izy tamiko: Ry zanak’olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia raiso ao am-ponao ka henoy amin’ny sofinao.
malagasy
Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao, ka henoy amin'ny sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao]