Ezekiel 3:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy mety miala amin’ny faharatsiany sy amin’ny lalany ratsy, dia ho faty amin’ny helony ihany izy, fa ho voavonjinao ny ainao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa rehefa nananatra an’ilay ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy nety niala amin’ny haratsiany aman-dalan-dratsiny; dia izy ihany no ho faty amin’ny helony; fa ianao kosa dia namonjy ny fanahinao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ohatra kosa ka nampitandrina azy ianao, nefa tsy nanaiky hiala tamin’ny fahadisoany sy ny toe-dratsiny izy, dia ho faty noho ny otany tokoa izy, fa ianao kosa hahavonjy ny ainao.
Malagasy Bible 1865
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, fa izy no tsy mety miala amin’ny faharatsiany sy amin’ny lalany ratsy, dia ho faty amin’ny helony ihany izy, fa ho voavonjinao ny ainao.
malagasy
Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.