Ezekiel 3:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin’ny lohasaha; ary indro, tao ny voninahitry NY TOMPO, tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany. Dia niankarapoka tamin’ny tany aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangana aho nankany an-tany lemaka, dia indro teo ny voninahitr’i Iaveh, tahaka ilay voninahitra efa hitako tany amin’ny ony Kobara; ka lavo niankohoka terỳ aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitsangana aho, ka nandeha nankany an-dohasaha. Ary indro ny voninahitry ny TOMPO niseho tao tahaka ilay efa nahitako azy teo amoron’ny ony Kebara, koa nikarapoka nihohoka aho.
Malagasy Bible 1865
Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin’ny lohasaha; ary indro, tao ny voninahitry NY TOMPO, tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany. Dia niankarapoka tamin’ny tany aho.
malagasy