Ezekiel 3:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa rehefa miteny aminao Aho dia hosokafako ny vavanao ka holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izay mihaino dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino dia aoka izy tsy hihaino; fa taranaka maditra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa hiteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka hilaza amin’izy ireo ianao hanao hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Izay mety hihaino, aoka hihaino; ary izay tsy mety aoka tsy hihaino; fa taranaka miodina izy ireo.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa raha misy zavatra holazaiko amin’ny alalanao, dia hataoko afa-miteny ianao. Amin’izay dia hiteny aminy ianao ka hanao hoe: «Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY». Ny sasany dia ho vonona hihaino anao, fa ny sasany kosa tsy hanaiky hihaino anao satria vahoaka maditra izy.»
Malagasy Bible 1865
Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa rehefa miteny aminao Aho dia hosokafako ny vavanao ka holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izay mihaino dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino dia aoka izy tsy hihaino; fa taranaka maditra izy.
malagasy