Ezekiel 3:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy ho amin’ny firenena maro izay manao fiteny tsy hay sy miboredidredika ka tsy ho azonao ny teniny. Fa raha tamin’ireny no nanirahako anao dia ho nihaino anao tokoa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy ho any amin’ny firenena maro hafa fiteny sy miboeriboeri-piteny, ka tsy ho azonao ny teniny, fa ho amin’izy ireo no anirahako anao; hahazo ny teninao izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha maniraka anao hankany amin’ireo firenen-kafa izay miteny fiteny vahiny sarotra sy mety tsy ho takatrao Aho, dia tsy isalasalana fa hihaino anao izy.
Malagasy Bible 1865
tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy ho amin’ny firenena maro izay manao fiteny tsy hay sy miboredidredika ka tsy ho azonao ny teniny. Fa raha tamin’ireny no nanirahako anao dia ho nihaino anao tokoa izy.
malagasy
tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.