Ezekiel 30:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hampirehitra afo any Ejipta Aho; hiolanolana fatratra i Sina noho ny faharariany; ho voabanga ny mandan’i No ary i Nofa dia hasian’ny fahavalo amin’ny andro antoandro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Ejipta hodorako; i Sina, hiolanolana mijaly; i Nô halana an-keriny; ary i Nôfa, hanihim-pahavalo antoandrobe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hodorako amin’ny afo i Ejipta. Hisavoritaka ny mponina ao Sina; ary hisy vaky ny mandan’i Nao ka ho safotry ny rano ilay tanàna.
Malagasy Bible 1865
Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian'ny fahavalo antoandro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hampirehitra afo any Ejipta Aho; hiolanolana fatratra i Sina noho ny faharariany; ho voabanga ny mandan’i No ary i Nofa dia hasian’ny fahavalo amin’ny andro antoandro.
malagasy
Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian'ny fahavalo antoandro.[Heb. Nofa]