Ezekiel 30:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Any Tapanesa dia ho maizina ny andro rehefa tapahiko any ny ziogan’i Ejipta ka hitsahatra ny fiavonavonan’ny heriny; hisy rahona hanarona azy sady ho lasan-ko babo ny zanany vavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao Tafnesa ho maizina ny andro, raha avy izay hanapahako ao ny jiogan’i Ejipta, sy hitsaharan’ny fiavonavonan’ny heriny; ho voasaron-drahona izy, ary ho lasan-ko babo ny zanany vavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hisy andro mihiratra intsony ao Tahapanehesa rehefa hopotehiko ny herin’i Ejipta ary hatsahatro ny fireharehany. Hisy rahona mainty handrakotra ny tanàna, ary ho lasan-ko babo ny mponina amin’izany faritra izany.
Malagasy Bible 1865
Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; Ho voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Any Tapanesa dia ho maizina ny andro rehefa tapahiko any ny ziogan’i Ejipta ka hitsahatra ny fiavonavonan’ny heriny; hisy rahona hanarona azy sady ho lasan-ko babo ny zanany vavy.
malagasy
Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; Ho voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.