Ezekiel 30:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahafito tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahiraika amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-11, volana voalohany, andro fahafiton’ny volana, tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-11 taorian’ny fahababoana, nony andro fahafiton’ny volana voalohany, dia nisy tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahafito tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahiraika amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
malagasy
[Ny hahafoanan'i Nebokadnezara ny herin'Farao] Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: