Ezekiel 30:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izany no nanaovan’NY TOMPO Andriamanitra hoe: Indro, hamely an’i Farao mpanjakan’i Ejipta Aho ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tanany Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho ho avy, amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta; hotapahiko ny sandriny roa, na ny mbola matanjaka na ilay efa tapaka, ary hataoko latsaka ny sabatra eny an-tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Hirotsaka hamely ny Farao mpanjakan’i Ejipta Aho. Ny sandriny roa mihitsy no hopotehiko, tsy ilay efa potika ihany fa ilay mbola matanjaka koa, ka hataoko latsaka avy eny an-tanany ny sabany!
Malagasy Bible 1865
Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izany no nanaovan’NY TOMPO Andriamanitra hoe: Indro, hamely an’i Farao mpanjakan’i Ejipta Aho ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tanany Aho.
malagasy