Ezekiel 30:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, hampahatanjahiko ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilona, dia hiraviravy ny sandrin’i Farao ka ho fantatra fa Izaho no TOMPO, rehefa ataoko eny an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny sabatro ka haingainy hamelezana ny tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, hohatanjahiko; ny sandrin’i Faraôna kosa hianjera; ary ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, rehefa ataoko eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny sabatro; ka hoentiny mamely ny tany Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hiraviravy tsy hanan-kery ny sandrin’ny Farao; fa homeko tanjaka kosa ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka ny sabatro mihitsy no hapetrako eo an-tanany sy harangarangany hamelezana an’i Ejipta. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Eny, hampahatanjahiko ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, hampahatanjahiko ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilona, dia hiraviravy ny sandrin’i Farao ka ho fantatra fa Izaho no TOMPO, rehefa ataoko eny an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny sabatro ka haingainy hamelezana ny tany Ejipta.
malagasy
Eny, hampahatanjahiko ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.