Ezekiel 30:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisy sabatra tonga any Ejipta ary fangorohoroana fatratra any Kosy, rehefa miampatrampatra any Ejipta ny voatrabaka, ary ho lasa ny harenany sady ho rava ny fanorenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hisy sabatra ho tonga hamely an’i Ejipta; ary hisy fitebitebena mafy any Etiôpia, rehefa hiampatrampatra any Ejipta ny maratra ho faty, rehefa halaina ny hareny, sy horavana ny fanorenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hiditra any Ejipta ny ady, ka hampangorohoro hatrany Etiôpia izany. Hiampatrampatra ny fatin’ny Ejiptianina, ary horobaina ny hareny ka hatao rava mbamin’ny fanorenany.
Malagasy Bible 1865
Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hisy sabatra tonga any Ejipta ary fangorohoroana fatratra any Kosy, rehefa miampatrampatra any Ejipta ny voatrabaka, ary ho lasa ny harenany sady ho rava ny fanorenany.
malagasy
Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.