Ezekiel 30:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Ho lavo koa izay manohana an’i Ejipta ary hietry ny fiavonavonan’ny heriny; hatrany Migdola ka hatrany Siena no ho lavon-tsabatra izy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Ho lavo ry zareo niankinan’i Ejipta, ary haetry ny fiavonavonan’ny heriny: Hatrany Migdôla ka hatrany Siena, dia ho lavon-tsabatra ny olona, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: Hatreo Migdôla any avaratra ka hatrany Asoana any atsimo dia ho faty an’ady ireo mpiaro an’i Ejipta, ary ho fefika ny tafiny miavonavona; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Ho lavo koa izay manohana an’i Ejipta ary hietry ny fiavonavonan’ny heriny; hatrany Migdola ka hatrany Siena no ho lavon-tsabatra izy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.