Ezekiel 31:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay fahavalo masiaka indrindra amin’ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; ary dia nihahaka teny an-tendrombohitra sy lohasaha rehetra teny ny sampany, ary notapatapahina teny amoron’ny ony rehetra amin’ny tany ny rantsany; dia nidina niala tamin’ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notapahin’ny hafa firenena - firenena masiaka indrindra amin’ny firenena, - navelany teo izy; teny an-tendrombohitra aman-dohasaha rehetra teny no niampatramparan’ny sampany; ny rantsany tapaka nitsingidina teny amin’ny mason-driaka rehetra amin’ny tany; nihataka niala tamin’ny alokalony ny firenen’ny tany rehetra, ka dia nandao azy avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nokapain’ireo vahiny faran’izay masiaka amin’ireo firenena izy, dia nilaozany. Teny an-tendrombohitra sy teny an-dohasaha rehetra no nianjeran’ny sampany; ary teny amin’ny lalan-driaka rehetra amin’ny tany no nahatapatapaka ny rantsany. Ka ny sarambabembahoaka rehetra izay nipetraka teo ambany alokalony dia voatery niala sy nandositra.
Malagasy Bible 1865
Ary izay fahavalo masiaka indrindra amin'ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; Teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny lohasaha rehetra no nihahafan'ny sampany, ary notapatapahina teny amoron'ny ony rehetra amin'ny tany ny rantsany; Ary nidina niala tamin'ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay fahavalo masiaka indrindra amin’ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; ary dia nihahaka teny an-tendrombohitra sy lohasaha rehetra teny ny sampany, ary notapatapahina teny amoron’ny ony rehetra amin’ny tany ny rantsany; dia nidina niala tamin’ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy azy.
malagasy