Ezekiel 31:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny haavony ny hazo rehetra eny amoron’ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ny rahona matevina sady tsy hisy hitoky amin’ny haavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra. Fa voatolotra ho faty ho any ambanin’ny tany izy rehetra, ho any amin’ny zanak’olombelona, dia any amin’izay midina any an-davaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba tsy hisy hazo voavoly amin’ny rano, hisondrotra ho avo, sy hanandratra ny tendrony hatrany amin’ny rahona, ary mba tsy hisy amin’izay mifo-drano, hatoky tena noho ny fiavonavonany; fa izy rehetra, samy voatendry ho faty, ho any ambanin’ny tany, hiharo amin’ny zanak’olombelona, dia amin’izay midina any an-davaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no nataoko dia mba tsy hisy intsony hazo tsara tondraka sy vonton-drano, izay ho avo mijoalajoala ka hitehi-drahona ny tendrony, ary hiavonavona noho ny haavony. Fa ny hazo rehetra dia toy ny olona ka natao ho faty sy hankany ambanin’ny tany eo akaikin’ireo efa tafidina any.
Malagasy Bible 1865
Mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny hahavony ny hazo rehetra eny amoron'ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin'ny rahona matevina, sady tsy hisy hitoky amin'ny hahavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra; Fa voatolotra ho faty izy rehetra ho any ambanin'ny tany, ho ao amin'ny zanak'olombelona, dia any amin'izay midina any an-davaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny haavony ny hazo rehetra eny amoron’ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ny rahona matevina sady tsy hisy hitoky amin’ny haavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra. Fa voatolotra ho faty ho any ambanin’ny tany izy rehetra, ho any amin’ny zanak’olombelona, dia any amin’izay midina any an-davaka.
malagasy