Ezekiel 31:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny fitoeran’ny maty dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano any amin’ny lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy ka nijanona ny ranobe; nampisaoniko i Libanona noho ny aminy ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny Seoly, nampanao fisaonana Aho; ny rano lalina nosaronako, noho ny aminy; ny ony mandeha najanoko; ny rano be, niato; i Libàna nampanjomboniko, noho ny aminy; ary ny hazo any an-tsaha, nilofika avokoa noho ny aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Tamin’ny andro izay nidinan’ilay sedera tany amin’ny toeran’ny maty, dia nataoko nisaona azy ny ranobe ao ambany tany. Noho ilay sedera no nanampenako ny renirano avy amin’ny ranobe ary nampijanonako azy tsy hikoriana amin’ny sakeliny. Nataoko nalahelo azy ny tendrombohitr’i Libano ary izany no nampalazo ny hazo rehetra teny an-tsaha.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny fitoeran’ny maty* dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano any amin’ny lalina* noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy ka nijanona ny ranobe; nampisaoniko i Libanona noho ny aminy ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nidinany ho any amin'ny fiainan-tsi-hita dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy, ka dia najanona ny rano maro; Nampisaoniko Libanona noho ny aminy, ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.[Heb. sheola]