Ezekiel 31:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena rehefa nampidiniko ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy ho naman’izay midina any an-davaka; ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny notsongaina sady soa indrindra any Libanona, izay mifo-drano rehetra, dia samy nampionona ny tenany any ambanin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataoko nihorohoro ny firenena, tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany, tamin’ny namarinako azy ho any amin’ny Seoly, miaraka amin’ireo midina any an-davaka. Nianina tany ambanin’ny tany ny hazon’i Edena rehetra, ny tsara tarehy sy kanto indrindra tany Libàna, dia izay rehetra bobo-drano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nataoko izay hianjeran’io hazo io mba hidinany any amin’ny toeran’ny maty ho tafaraka amin’ireo efa tafidina any, dia nampihorohoroiko ireo firenena nony nandre ny fianjerany. Fa tany ambanin’ny tany kosa dia samy afa-po avokoa ireo hazon’i Hedèna, dia ireo hazo voafantina sady soa indrindra ary vonton-drano tao Libano.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman'izay midina any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin'ny tany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena rehefa nampidiniko ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy ho naman’izay midina any an-davaka; ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny notsongaina sady soa indrindra any Libanona, izay mifo-drano rehetra, dia samy nampionona ny tenany any ambanin’ny tany.
malagasy
Tamin'ny fiezinezin'ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena, raha nampidiniko ho any amin'ny fiainan-tsi-hita izy, ho naman'izay midina any an-davaka; Ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny nojobonina sady soa indrindra any Libanona, dia izay mifo-drano rehetra, samy nampionona ny tenany any ambanin'ny tany,[Heb. sheola]