Ezekiel 31:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka an’iza amin’ny hazo any Edena moa ianao amin’izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin’ny tany miaraka amin’ny hazo any Edena ianao. Eo amin’ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin’izay voatrabaky ny sabatra. I Farao sy ny vahoakany marobe rehetra izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa iza no itovizanao voninahitra amam-pahalehibeazana, ireo hazon’i Edena? Havarina ianao miaraka amin’ny hazon’i Edena any ambanin’ny tany; hamparina eo amin’ireo tsy voafora, miaraka amin’ireo voatrobaky ny sabatra. Izany no hanjò an’i Faraôna, mbamin’ny vahoakany maro, - teny marin’ny Tompo Iaveh.-
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Tsy nisy hazon’i Hedèna nitovy famirapiratana sy fahalehibiazana taminao. Kanefa hazera any ambanin’ny tany miaraka amin’ireny hazon’i Hedèna ireny ianao, ka hiampatra eo anivon’ireo olona tsy voafora izay maty an’ady. Izany no ho anjaran’ny Farao sy ny mponina marobe rehetra any Ejipta; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Malagasy Bible 1865
Tahaka an'iza amin'ny hazo any Edena moa ianao amin'izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin'ny tany miaraka amin'ny hazo any Edena ianao; Eo amin'ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin'izay voa-trabaky ny sabatra. Farao sy ny vahoakany maro be rehetra izany, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka an’iza amin’ny hazo any Edena moa ianao amin’izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin’ny tany miaraka amin’ny hazo any Edena ianao. Eo amin’ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin’izay voatrabaky ny sabatra. I Farao sy ny vahoakany marobe rehetra izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy