Ezekiel 31:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano any amin’ny lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakandranony hankany amin’ny hazo rehetra any an-tsaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny rano be nampitombo azy, ny rano lalina, nahalehibe azy, tamin’ny nampandehanany ny oniny, tamin’ny manodidina ny fitoerana nambolena azy, sy tamin’ny nandefasany ny sakeli-dranony, ho ao amin’ny hazo rehetra any an-tsaha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ranonorana no nahalehibe azy; ny ranobe ao ambany tany no nampitombo azy, satria namonto ony nanodidina ny fakany, vao nikoriana tamin’ny lakan-drano hankamin’ny hazo hafa rehetra any an-tsaha.
Malagasy Bible 1865
Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin'ny hazo rehetra any an-tsaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakan-dranony hankamin'ny hazo rehetra any an-tsaha.