Ezekiel 31:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo amin’ny sampany no nanaovan’ny voromanidina rehetra akany ary teo ambanin’ny rantsany no niterahan’ny bibidia rehetra, sady teo amin’ny alokalony no nitoeran’ny firenena marobe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny voromanidina rehetra, nanao akany teo amin’ny sampany; ny biby rehetra any an-tsaha, niteraka teo ambanin’ny rantsany; ny firenena maro no nipetraka teo ambany alokalony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo amin’ny sampany no nanao akany, ny voro-manidina isan-karazany; teo ambanin’ny rantsany no niterahan’ny bibidia rehetra; ary teo ambanin’ny alokalony no nipetrahan’ny firenena marobe.
Malagasy Bible 1865
Teo amin'ny sampany no nanaovan'ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny firenena malaza rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo amin’ny sampany no nanaovan’ny voromanidina rehetra akany ary teo ambanin’ny rantsany no niterahan’ny bibidia rehetra, sady teo amin’ny alokalony no nitoeran’ny firenena marobe.
malagasy
Teo amin'ny sampany no nanaovan'ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin'ny alokalony no nitoeran'ny firenena malaza rehetra.