Ezekiel 31:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin’ny sahan’Andriamanitra; tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kipreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin’ny sahan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sedera ao amin’ny sahan’Andriamanitra, tsy nahamatroka azy; ny sipresa, tsy nahatoraka ny sampany; ary ny platàna tsy tahaka ny rantsany; ary ny hazo tao amin’ny sahan’Andriamanitra, tsy nisy tsara tarehy toa azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nisy sedera nitovy aminy tao an-jaridainan’Andriamanitra; tsy nisy kipreso tsara sampana tahaka azy; tsy nisy platana mba nanan-drantsana toa azy; tsy nisy hazo nitovy hatsara aminy tao an-jaridainan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin'ny sahan'Andriamanitra; Tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kypreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; Ary tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin'ny sahan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin’ny sahan’Andriamanitra; tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kipreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin’ny sahan’Andriamanitra.
malagasy