Ezekiel 32:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, rehefa asidiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava noho ny ainy izy amin’ny andro haharavanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataoko talanjona noho ny aminao ny firenena maro; hihena velona, noho ny aminao, ny mpanjakany, rehefa ampandihiziko eo imasony ny sabatro; ary hanjònitra lava izao izy amin’ny andro haharavanao, samy manahy ny ainy avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho talanjona ireo firenena maro ireo noho ny namelezako anao. Hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, rehefa harangarangako eny ambony lohany ny sabatro. Amin’ny andro haharavanao dia hangovitra tsy an-kitsahatra izy fa samy manahy momba ny ainy.
Malagasy Bible 1865
Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin'ny fanahiany ny ainy, raha mby amin'ny andro haharavanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, rehefa asidiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava noho ny ainy izy amin’ny andro haharavanao.
malagasy