Ezekiel 32:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sabatry ny mahery izay samy masiaka indrindra amin’ny firenena, no hoentiko mandavo ny vahoakanao marobe, dia horavany ny reharehan’i Ejipta ka ho fongotra ny vahoakany marobe rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ankabeazam-bahoaka, hataoko lavo, amin’ny sabatry ny mahery, izay masiaka eo amin’ny firenena rehetra; haongany ny reharehan’i Ejipta, ary ny vahoaka rehetra ao aminy ho voafongotra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo miaramila masiaka indrindra amin’ny samy tafi-pirenena no halefako hamono ho faty ireo vahoakanao marobe. Horavany i Ejipta fatra-pirehareha ka ho fongotra ny vahoakany marobe rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin'ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan'i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sabatry ny mahery izay samy masiaka indrindra amin’ny firenena, no hoentiko mandavo ny vahoakanao marobe, dia horavany ny reharehan’i Ejipta ka ho fongotra ny vahoakany marobe rehetra.
malagasy
Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin'ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan'i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.