Ezekiel 32:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ataoko lao ny tany Ejipta ka hofoanako amin’ny tany izay rehetra nahafeno azy teo; haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa avy izay hampanjariako ho tany lao ny tany Ejipta, sy izay hahafoana ny tany amin’ny zavatra ao aminy, ary hamelezako ny mponina rehetra ao aminy, dia ho fantatr’izy ireo fa Iaveh Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hovàko ho tany ngazana i Ejipta, ka ny zavatra nameno azy dia hofongorako tsy hisy intsony ary haringako ny mponina rehetra ao aminy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.›
Malagasy Bible 1865
Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ataoko lao ny tany Ejipta ka hofoanako amin’ny tany izay rehetra nahafeno azy teo; haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
malagasy
Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.