Ezekiel 32:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany no hira fahalahelovana hataon’ny olona. Ny zanakavavin’ny firenena no hihira izany; eny, ho fisaonana an’i Ejipta sy ny vahoakany marobe rehetra no hihirany izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no hira fitomaniana, ka hotononin’ny olona io, hotononin’ny zanaka vavin’ny firenena; hotononiny momba an’i Ejipta sy ny vahoakany be rehetra; - teny marin’ny Tompo Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izany no hira fisaonana hohirain’ny vehivavin’ny firenen-drehetra ny amin’i Ejipta sy ny vahoakany marobe rehetra; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»
Malagasy Bible 1865
Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany no hira fahalahelovana hataon’ny olona. Ny zanakavavin’ny firenena no hihira izany; eny, ho fisaonana an’i Ejipta sy ny vahoakany marobe rehetra no hihirany izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.