Ezekiel 32:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta ka lazao aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin’ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin’ny ranomasina; nitsoriaka teny amin’ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin’ny tongotrao ka nahaloto ny ony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, manaova hira fitomaniana an’i Faraôna, mpanjanak’i Ejipta, ka lazao aminy hoe: Ry lion’ny firenena ô, levona ianao! Tahaka ny mamba teo anatin’ny ranomasina ianao, niezaka tany amin’ny oninao ianao, ary nanakobana ny ranony tamin’ny tongotrao, ary nandoto ny lakan-dranony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, hirao ity hira fisaonana ny amin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta ity ka ambarao aminy hoe: ‹Tahaka ny liona tanora ianao teo anivon’ireo firenena. Nefa toy ny fanano ao anaty ranobe koa ianao ka nikofokofoka teny amin’ny oninao; nakobankobanao tamin’ny tongotrao ny rano ka izany no nandotoanao ny fikorianany.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, manaova hira fahalahelovana ny amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta ka lazao aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin’ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin’ny ranomasina; nitsoriaka teny amin’ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin’ny tongotrao ka nahaloto ny ony.
malagasy
Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.[Na. mamba]