Ezekiel 32:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Natao any amin’ny lavaka farany ambany ny fasany, ary ny vahoakany marobe dia manodidina ny fasany; voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin’ny tanin’ny velona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natao any am-paravody lavaka, ny fasan’izy ireo: voalahatra manodidina ny fasany ny vahoakany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa izy ireo, izay naharaiki-tahotra teny amin’ny tanin’ny velona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sehatra lalina indrindra amin’ny toeran’ny maty no misy ny fasany. Samy maty an’ady avokoa izy rehetra, dia ireo izay nampihorohoro taloha teny amin’ny tanin’ny velona.
Malagasy Bible 1865
Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin'ny tanin'ny velona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Natao any amin’ny lavaka farany ambany ny fasany, ary ny vahoakany marobe dia manodidina ny fasany; voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin’ny tanin’ny velona.
malagasy