Ezekiel 32:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ao koa i Elama mbamin’ny vahoakany marobe rehetra manodidina ny fasany; voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ny sabatra ka tafidina tsy voafora ho any ambanin’ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ny tanin’ny velona, samy mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao ry i Elama, mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina manodidina ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa; ireo tsy voafora nidina tany ambanin’ny tany, izay efa naharaiki-tahotra, teny amin’ny tanin’ny velona; nivesatra ny fahafaham-barakany izy ireo, miaraka amin’izay nidina any an-davaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Any koa no tafangona ny tafika helamita manontolo sady voahodidin’ny fasany; samy voatrabaka sy maty an’ady avokoa izy rehetra. Ireo tsy voafora ireo, izay nampihorohoro taloha teny amin’ny tanin’ny velona, dia naidina any ambanin’ny tany. Izao izy rakotry ny henatra miaraka amin’ireo efa tafidina any.
Malagasy Bible 1865
Ao koa Elama mbamin'ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin'ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ao koa i Elama mbamin’ny vahoakany marobe rehetra manodidina ny fasany; voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ny sabatra ka tafidina tsy voafora ho any ambanin’ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin’ny tanin’ny velona, samy mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka.
malagasy