Ezekiel 32:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo amin’ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin’ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany, izy rehetra dia samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra satria niely tany amin’ny tanin’ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka izy; teo amin’ny voatrabaka no nametrahany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo amin’ireo voatrobaka no anamboarana fandriana ho azy mbamin’ny vahoakany rehetra alinalina; manodidina azy ny fasany; samy tsy voafora avokoa, samy voatrobaky ny sabatra avokoa izy ireo, fa niely ny fahatahorana azy teny amin’ny tanin’ny velona, ary nitondra ny fahafaham-barakany izy, miaraka amin’izay midina any an-davaka; napetraka teo amin’ireo voavono izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Teo anivon’ireo maty no nanomezana fandriana ho an’ny tafika helamita manontolo izay voahodidin’ny fasany. Olona tsy voafora izy rehetra ireo sady maty an’ady. Nampihorohoro taloha teny amin’ny tanin’ny velona izy, kanjo indreo fa miampatra rakotry ny henatra miaraka amin’ireo efa tafidina any an-davaka ambany any sady voapetraka eo anivon’ireo maty.
Malagasy Bible 1865
Teo amin'ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka izy; Ao amin'ny voa-trabaka no nametrahany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo amin’ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin’ny vahoakany marobe rehetra; manodidina azy ny fasany, izy rehetra dia samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra satria niely tany amin’ny tanin’ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka izy; teo amin’ny voatrabaka no nametrahany azy.
malagasy