Ezekiel 32:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hiara-mandry amin’ny lehilahy mahery izay lavo isan’ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin’ny fitoeran’ny maty ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin’ny lohany ny sabany, ary ao amin’ny taolany ny helony satria nampahatahotra ny mahery tany amin’ny tanin’ny velona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy ireo tsy mba hiara-miampatra amin’ny mahery, izay lavo isan’ny tsy voafora, sy nidina any amin’ny Seoly nitondra ny fiadiany, sy nopetrahana ny sabany eo ambonin’ny lohany; fa eo ambonin’ny taolany ny helony, satria hampatahotra ny mahery izy, teny amin’ny tanin’ny velona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo tsy voafora ireo dia tsy mba nalevina niaraka tamin’ireo mpiady maherifo maty fahiny; ireto maherifo ireto, na dia nampihorohoro teny amin’ny tanin’ny velona aza, dia naidina tany amin’ny toeran’ny maty niaraka tamin’ny fitaovam-piadiany, ka ny sabany natao teo ambany lohany ary ny ampingany napetraka teo ambonin’ny vatany.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy hiara-miampatra amin'ny lehilahy mahery izay lavo isan'ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao amin'ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny tanin'ny velona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hiara-mandry amin’ny lehilahy mahery izay lavo isan’ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin’ny fitoeran’ny maty ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin’ny lohany ny sabany, ary ao amin’ny taolany ny helony satria nampahatahotra ny mahery tany amin’ny tanin’ny velona izy.
malagasy
Ary tsy hiara-miampatra amin'ny lehilahy mahery izay lavo isan'ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao amin'ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny tanin'ny velona izy.[Heb. mandry][Heb. Sheola]