Ezekiel 32:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ao koa i Edoma mbamin’ny mpanjakany sy ny mpitarika rehetra tao aminy, izay natao ao amin’ny voatrabaky ny sabatra na dia be aza ny heriny; miara-miampatra amin’ny tsy voafora izy, sy amin’izay midina any an-davaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao ry i Edôma, mbamin’ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra teo aminy: izy ireo, na dia be aza ny heriny, dia natao teo amin’ny voatrobaky ny sabatra, miara-miampatra amin’ny tsy voafora koa izy, sy amin’izay nidina any an-davaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Any koa ny terak’i Edôma mbamin’ireo mpanjakany sy ireo rehetra mpifehy azy. Na dia nahery fo aza izy, dia atao tahaka ireo maty an’ady hafa rehetra, ka hiampatra any an-davaka ambany any miaraka amin’ireo rehetra tsy voafora izay tafidina any.
Malagasy Bible 1865
Ao koa Edoma mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin'ny tsy voafora izy sy amin'izay midina any an-davaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ao koa i Edoma mbamin’ny mpanjakany sy ny mpitarika rehetra tao aminy, izay natao ao amin’ny voatrabaky ny sabatra na dia be aza ny heriny; miara-miampatra amin’ny tsy voafora izy, sy amin’izay midina any an-davaka.
malagasy
Ao koa Edoma mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin'ny tsy voafora izy sy amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]