Ezekiel 32:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ao koa ireo mpanapaka ny any avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra izay niara-nidina tamin’ny voatrabaka; menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza; miampatra ny tsy voafora miaraka amin’izay voatrabaky ny sabatra ka mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao ny andrian’ny Avaratra, dia izy rehetra mbamin’ny Sidonianina rehetra; niara-nidina tamin’ny voatrobaky izy ireo, na dia efa nampatahotra aza izy, na dia mahery fo aza, dia efa mangaihay! Miampatra ireo tsy voafora amin’izay voatrobaky ny sabatra, ary mitondra ny fahafaham-barakany miaraka amin’ny midina any an-davaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Any koa ireo rehetra mpitondra ny vahoaka any avaratra mbamin’ireo Tsidônianina rehetra izay nidina ho any amin’ny maty. Nahery fo tokoa ireny ary nampihorohoro, fa ankehitriny ireny tsy voafora ireny dia miampatra rakotry ny henatra, miaraka amin’ireo hafa rehetra maty an’ady. Mitondra fahafaham-baràka izy miaraka amin’ireo rehetra tafidina any an-davaka ambany any.
Malagasy Bible 1865
Ao koa ireo andrianan'ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin'ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra tsy voafora ao amin'izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin'izay midina any an-davaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ao koa ireo mpanapaka ny any avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra izay niara-nidina tamin’ny voatrabaka; menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza; miampatra ny tsy voafora miaraka amin’izay voatrabaky ny sabatra ka mitondra henatra miaraka amin’izay midina any an-davaka.
malagasy
Ao koa ireo andrianan'ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin'ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra tsy voafora ao amin'izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]