Ezekiel 32:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireny dia ho hitan’i Farao ka hionona ny amin’ny vahoakany marobe izy. Voatrabaky ny sabatra i Farao mbamin’ny miaramilany rehetra, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hahita azy i Faraôna, ka hanonon-tena, ny amin’ny vahoakany maro be. Niara-boatrobaky ny sabatra, i Faraôna sy ny miaramilany rehetra, - teny marin’ny Tompo Iaveh!-
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha mahita ireo mpiady rehetra ireo any ny Farao, dia hionona ny amin’izay manjo ny tafiny manontolo; fa ny tenany dia ho faty an’ady koa miaraka amin’ny miaramilany rehetra; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Malagasy Bible 1865
Ireny dia ho hitan'i Farao, ka dia hionona izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin'ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireny dia ho hitan’i Farao ka hionona ny amin’ny vahoakany marobe izy. Voatrabaky ny sabatra i Farao mbamin’ny miaramilany rehetra, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
malagasy
Ireny dia ho hitan'i Farao, ka dia hionona izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin'ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin'ny tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin'ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.[Na. Ahy][Heb. hampandrina]