Ezekiel 32:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voromanidina rehetra ka homeko hivokisan’ny bibidia rehetra ny tenanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia havelako eo amin’ny tany ianao, hatsipiko eny an-tampon-tanety ianao, ka ny voromanidina rehetra hoentiko hipetraka aminao; ary ny biby amin’ny tany rehetra, hataoko voky amin’ny tenanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatsipitsipiko eny an-tanety ary hazerazerako eny an-tsaha ianao, dia hampitangoronako ny voromanidina isan-karazany ianao ary homeko hivokisan’ny bibidia rehetra amin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voromanidina rehetra ka homeko hivokisan’ny bibidia rehetra ny tenanao.
malagasy
Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.