Ezekiel 32:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vonoiko ny fahazavanao dia hosaronako ny lanitra; hotafiako lamba fisaonana ny kintany; ny masoandro dia hotakonako rahona ary ny volana dia tsy hangarangarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny hamonoako anao, hotakonako ny lanitra, ary hohamaiziniko ny kintana, ny masoandro hosaronako rahona; ny volana, tsy handefa intsony ny fahazavany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa maty ianao, dia hohamaiziniko ny lanitra, hosaronako ny fahazavan’ny kintana, hotakonako rahona ny masoandro ary tsy hamirapiratra intsony ny hazavan’ny volana.
Malagasy Bible 1865
Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa vonoiko ny fahazavanao dia hosaronako ny lanitra; hotafiako lamba fisaonana ny kintany; ny masoandro dia hotakonako rahona ary ny volana dia tsy hangarangarana.
malagasy
Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.