Ezekiel 33:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry zanak’olona, mitenena amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay ka mihalevona amin’izany izahay, dia nahoana no mbola velona ihany izahay?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry zanak’olona, mitenena amin’ny taranak’i Israely hoe: Indreto ianareo miteny manao hoe: «Ny hadisoanay amam-pahotanay, dia momba anay; ka mihalevona izahay noho izany, ka ahoana indray no hahavelona anay?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, mitenena amin’ny Israelita izay milaza hoe: ‹Vesaran’ny fahadisoanay sy ny fahotanay izahay, ka mila ho levona mihitsy. Koa ahoana moa no hahavelomanay?›
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry zanak’olona*, mitenena amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay ka mihalevona amin’izany izahay, dia nahoana no mbola velona ihany izahay?
malagasy
Ary ianao, ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?