Ezekiel 33:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalanareo ratsy, fa nahoana no te ho faty ianareo, ry taranak’Israely?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao aminy hoe: «Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambarao aminy hoe: Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy sitrako ny hahafatesan’ireo olon-dratsy; fa ny tena tadiaviko dia ny hiovany mba hahavelona azy. Koa ialao mihitsy ny toe-dratsinareo, ry Israelita, fa nahoana moa no te ho faty ianareo?
Malagasy Bible 1865
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalanareo ratsy, fa nahoana no te ho faty ianareo, ry taranak’Israely?
malagasy