Ezekiel 33:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha lazaiko ny amin’ny marina hoe: Ho velona tokoa izy, nefa izy mitoky amin’ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na efa nilaza tamin’ny marina aza Aho, fa ho velona marina izy; raha sendra mitoky ny fahamarinany kosa izy, ka manao ny ratsy, dia tsy hotsarovana intsony ny asa marina rehetra nataony, fa ny ratsy nataony dia izany ihany no anton’ny fahafatesany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andeha hataontsika hoe misy olo-marina iray nilazako fa ho velona tokoa izy. Raha tàhiny mitoky amin’ny fahamarinany taloha izy ka manao heloka, dia hohadinoina ny soa rehetra vitany, ka ho fatin’ny heloka nataony izy.
Malagasy Bible 1865
Raha lazaiko amin'ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha lazaiko ny amin’ny marina hoe: Ho velona tokoa izy, nefa izy mitoky amin’ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.
malagasy
Raha lazaiko amin'ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.[Heb. izy]