Ezekiel 33:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona faharoa amby folo taorianan’ny namaboana antsika, no nisy olona nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanambara hoe: Azo ny tanàna!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-12n’ny nahababo antsika, tamin’ny volana faha-10, andro fahadimin’ny volana, nisy olona nandositra avy any Jerosalema, tonga tao amiko nilaza hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-11 taorian’ny fahababoana, nony andro fahadimin’ny volana fahafolo, dia nisy lehilahy iray afa-nandositra avy tany Jerosalema ary tonga tao amiko ka nanao hoe: «Azom-pahavalo ny tanàna!»
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona faharoa amby folo taorianan’ny namaboana antsika, no nisy olona nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanambara hoe: Azo ny tanàna!
malagasy
[Ny nisokafan'ny vavan'i Ezekiela taorian'ny nandravana an'i Jerosalema haminany izay mbola hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fibebahany] Ary nony tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.