Ezekiel 33:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO tamin’ny omaly harivan’ny andro nahatongavan’ilay nandositra izay tonga tao amiko ka nosokafany ny vavako raha tsy mbola tonga ilay mpandositra izay tonga tao amiko nony maraina. Efa nisokatra ny vavako ka tsy moana intsony aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Afaka ny tanàna!» Ary ny hariva kosa talohan’ny nahatongavan’ilay nandositra, dia efa nanindry ahy ny tanan’i Iaveh, ka efa nosokafany ny vavako, talohan’ny nahatongavan’ilay io tao amiko ny maraina; ka dia voasokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny hariva nialoha ny andro nahatongavan’io lehilahy io, dia nataon’ny TOMPO tsapako ny heriny tamin’ny nanokafany ny vavako ho afa-miteny indray. Koa ny ampitso maraina, nony tonga teo amiko ilay nandositra, dia tsy moana intsony aho fa afaka niteny.
Malagasy Bible 1865
Dia efa tonga tamiko ny tànan'i Jehovah tamin'ny omaly harivan'ny andro nahatongavan'ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO tamin’ny omaly harivan’ny andro nahatongavan’ilay nandositra izay tonga tao amiko ka nosokafany ny vavako raha tsy mbola tonga ilay mpandositra izay tonga tao amiko nony maraina. Efa nisokatra ny vavako ka tsy moana intsony aho.
malagasy