Ezekiel 33:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry zanak’olona, ny monina amin’ireny rava amin’ny tanin’ny Israely ireny dia miteny hoe: Irery ihany i Abrahama nefa nandova ny tany izy; fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ho lovantsika ny tany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry zanak’olona, ireo monina ao amin’ireny toeran-dravarava amin’ny tanin’i Israely ireny, manao hoe: «Irery i Abrahama, ary efa nahazo ny tany ho anjarany; isika kosa maro ary efa nomena antsika ny tany ho fananantsika.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, ireo mponina tavela amin’ireo tanàna rava any an-tanin’i Israely dia nilaza hoe: ‹I Abrahama irery aza nahazo ity tany ity ho fananany, mainka fa isika marobe izao dia homena ity tany ity ho fananantsika›.
Malagasy Bible 1865
Ry zanak'olona, ny monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry zanak’olona*, ny monina amin’ireny rava amin’ny tanin’ny Israely ireny dia miteny hoe: Irery ihany i Abrahama nefa nandova ny tany izy; fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ho lovantsika ny tany!
malagasy
Ry zanak'olona, ny monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika