Ezekiel 33:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ny sabatra izay ao amin’ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ny bibidia, ary izay any amin’ny fierena any an-tendrombohitra sy any amin’ny lavabato dia ho fatin’ny areti-mandringana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao amin’izy ireo hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Velona Aho! Izay eo amin’ny tanàna rava, ho lavon-tsabatra; izay eny an-tsaha, hatolotro hohanin’ny biby masiaka; ary izay eny amin’ny fitoerana mimanda sy any an-johy, ho fatin’ny pesta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Velona Aho ka mianiana fa izay sisa tavela ao amin’ireo tanàna rava dia ho fatin’ny sabatra, izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ny bibidia, ary izay miery any an-tendrombohitra sy any an-dava-bato dia ho fatin’ny areti-mandringana.
Malagasy Bible 1865
Izao no holazainao aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato sy amin'ny lava-tany dia ho fatin'ny areti-mandringana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no holazainao aminy: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon’ny sabatra izay ao amin’ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ny bibidia, ary izay any amin’ny fierena any an-tendrombohitra sy any amin’ny lavabato dia ho fatin’ny areti-mandringana.
malagasy
Izao no holazainao aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato sy amin'ny lava-tany dia ho fatin'ny areti-mandringana.[Heb. fiarovana]