Ezekiel 33:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry. Mandre ny teninao izy nefa tsy mety mankatò azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao izany dia mpihira mahafinaritra ho azy ireo, tsara feo sy mahay mitendry ny zava-maneno eo an-tanany; izy ireo kosa, mandre ny teninao, nefa tsy manatanteraka izany akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa aminy ianao dia toy ny mpihira mahafinaritra tsara feo sady arahina mozika mahasondriana. Mihaino ny teninao izy fa tsy manatanteraka azy.
Malagasy Bible 1865
Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry. Mandre ny teninao izy nefa tsy mety mankatò azy.
malagasy
Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.[Na: kalokalo]Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.