Ezekiel 33:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha hitan’ilay mpitily kosa fa indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ny helony ihany iny; nefa ny rany dia hadiniko amin’ny tanan’ilay mpitily.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha ilay mpitily kosa no mahita ny sabatra tamy nefa tsy mitsoka ny anjomara, ka tsy voataitra ny vahoaka, koa tonga ny sabatra, sady mahavoa tampoka olona iray amin’izy ireo, dia ho faty eo amin’ny helony ihany, izany olona izany, nefa hadiniko amin’ilay mpitily ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tàhiny kosa hitan’ilay mpitily fa tamy ny tafika fahavalo, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, dia tsy nahazo fanairana ireo mpiray firenena aminy. Koa raha tonga ny fahavalo ary nahafaty olona iray, dia an’ny mpitily ny fahadisoana; izy no hotanako ho tompon’andraikitra amin’izany fahafatesana izany.
Malagasy Bible 1865
Fa raha hitan'ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin'ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin'ny tànan'ilay mpitily.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha hitan’ilay mpitily kosa fa indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin’ny helony ihany iny; nefa ny rany dia hadiniko amin’ny tanan’ilay mpitily.
malagasy