Ezekiel 33:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ianao, ry zanak’olona, dia notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’Israely, koa raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao dia izany no hoentinao mananatra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ianao, ry zanak’olona, no efa notendreko ho mpitily, ho an’ny taranak’i Israely, ary rehefa mandre teny aloaky ny vavako ianao dia hanaitra azy amin’ny Anarako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ry ilay taranak’olombelona, ianao no efa notendreko ho mpitily hanaitra ny vahoaka Israely. Hihaino ny teny aloaky ny vavako ianao ka hampita ny fampitandremako amin’ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ianao, ry zanak’olona, dia notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’Israely, koa raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao dia izany no hoentinao mananatra azy.
malagasy
Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.