Ezekiel 34:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin’ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry fa hosarihiko avy eo am-bavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy any amin’ny mpiandry ondry Aho; hotadiaviko ao amin’ny tanany ny ondriko, ary tsy hisy ondry havelako handrasany intsony; ary ny mpiandry tsy hamahana ny tenany intsony; hotsoahiko eny am-bavany ny ondriko, ka tsy ho remby ho azony hanina intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin’ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin’ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry fa hosarihiko avy eo am-bavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
malagasy